Tetsy sy teroa (Ilay toe-tsaina IV)

Kaozy ve ?

3O ANDRO IHANY NO IRAY VOLANA E !

Tonga dia azonao an-tsaina fa ny mpiasa no miteny izany ary ny mpiasa kamo, manao zara fa vita.
Jereo tokoa ange ny mpiasa manangan-trano ohatra : raha vao lasa ny tompony dia mitsilailay sy miresaka fotsiny izy ireo. Raha vao mitsidika any anefa ilay tompony dia ampitapitain’ny mpiasa haingana ny hoe : miala  any, miala any…dia mody mba miasa ry zalahy.
Raha  mpiasa isan’andro izany moa dia manao kilavaka fotsiny. Io asa lalaoviny io anefa raha atao LATASY diia iray minitra hoy ny fitenenana dia vita.

Fa teo amin’ny mpiasam-panjakana koa no tena nandrenesana io fomba fiteny tsy mahomby io satria dia MILALAO SAVONY ny ankamaroany. Rehefa tonga izay moa ny alatsinainy dia resabe mikasika ny zava-nitranga ny asabotsy sy alahady tsy niasana no andaniana ny alatsinainy maraina : indrindra moa fa nisy ady baolina nalazalaza izay dia AOKA FOTSINY E …

Koa tsotra fotsiny anio no ho lazaintsika dia ny hoe : “IALAO IO TOE-TSAINA IO  fa tsy hampandroso anao na oviiana na oviana ary dia tadidio mandrakariva fa ny ASA NO MAHA-OLONA ary ny ASANAO NO MANAJA ANAO.

R’adems

Tetsy sy teroa (ilay toe-tsaina III)

Kaozy ve ?

Ny vain-drahalahy tsy maharary !
Raha maty aho, matesa rahavana –  fa raha maty rahavana, matesa ny kisoa :

Toe-javatra sadasa sy maramara ary toe-tsaina tokony ialàna ireo fomba fiteny ireo.
Jereo tokoa ange fa raha misy mahazo ny mpifanolo-bodi-rindrina amin’ny sasany dia tsy miraika akory izy, na manontany  na mba manampy azy ireny.
Misy olon-dratsy tafiditra izao ao amin’ny tanàna : mandroba sy mamaky trano. Miantso vonjeo ilay tra-boina, kanefa dia manamafy ny hidin-tranony ny maro mba tsy hipitihan’ny ràny, hoy izy ireny, eny fa hatramin’ny tompon’andraikitra eo amin’ilay tanàna aza dia nifindran’izany toe-tsaina lomorina izany.Saingy rehefa izy ireny anefa no voa dia mipenipenina mihintsy, ary tairina sy baikoana avokoa ny vatan-dehilahy eo amin’ny tanàna mba hiambina. Tsy misy maharatsy ny dina mampandoa 5 000 ariary izay tsy manao izany. Saingy efa voa ny sasany vao avoaka io dina io mba hiarovan’ny ngetroa sy matretre ary tompom-pahefana  ny fananany sy ny fianakaviany.

Koa tsy mahagaga, manoloana izany raha mibirioka ara-piheverana sy fisainana ny sasany ka milaza hoe : avela ho avy izay ho avy, satria izahay mahantra moa manana inona ho angalariny eo, fa ny mpanan-karena sy ny tompom-pahefana no miaro ny azy ka manery ny sasany
ho atao ” APINGA FIAROVANA sy LOHA-LAHARANA ” raha handeha hiady..
Ampirimo any an-tsikinana sy aleveno im-pito mandifotra olona ary re io fisainana voalaza ery ambony io ka asio fiara-mientana tsy misy fihatsaram-belatsihy  dia tsy handaitra intsony ny fiteny hoe :
” ny vain-drahalahy tsy maharary ary raha maty aho, matesa rahavana, fa raha maty rahavana, matesa ny kisoa  “

Tetsy sy teroa (ilay toe-tsaina I)

Kaozy ve ?

Mandritry ny laha-tsoratra maromaro  dia hijery ny trangam-piaraha-monina isika.
Efa nanana ny FAHENDRENY ny Malagasy hatramin’ny fahagola tany na teo amin’ny fahamarinana izany, na ny fifanajana, ny fifankatiavana, ny fifanampiana sy ny maro hafa. Anisan’ny nahatonga izany ny fahatahorana an’Andriamanitra ao an-tampon’ny loha ka tsy nanaovan-dratsy mihintsy na dia ao amin’ny lohasaha mangina aza.
Tamin’ny fanjanahan-tany ihany koa sy tamin’ny fanjanahan-tany tamin’ny endriny vaovao dia taranja nianarana tany an-tsekoly ny nantsoina hoe : ” instruction civique ” izay azo adika hoe toro-làlana ho amin’ny fahaiza-miaina sy monina eo anivon’ny tontolo iainana sy ny mpiara-belona..Inona anefa no zava-mitranga sy misy amin’izao fotoana izao ?
Mandeha an-tongotra eny an-dàlana eny ianao ary mijojo be ny orana. Mandalo ilay fiara mandeha mafy dia toa tsy mitsinjo anao akory fa manaporitika ny ranom-potaka mandrakotra anao, ary ny tena mampalahelo aza dia iomehezany indray ianao…

Na ny mpandeha tongotra indray na ny mpitaingina bisikileta dia mihevi-tena mihintsy fa azy irery ny làlana ka mivilavila izy ireny no sady mikiakiaka hoe : hitsaho aho letia raha sahy ialahy a ! dia ampiany hoe : raha mandona ahy eo ialahy dia mandoa onitra ho ahy eo amin’ny fitsarana. Toa tsy fantany fa raha maty eo izy dia tsy hitondra onitra mihintsy any am-pasana.

Ny eo amin’ny samy mpamily fiara indray dia tsy mba misy fifandeferana mihintsy.Misy fiara izao eo alohanao ary mandeha miadana dia miadana izy. Raha mandefa fanairana ianao mba ho afaka hihoatra azy dia vao maika bahanany ny làlana, ary raha vao mitady hihoatra azy tokoa ianao dia alefany mafy amin’izay ny fiarany. Koa rehefa tsy afaka hianao satria tsy omeny làlana , dia ataony fanahy iniana ny miadana sady ampiany amin’ny hoe : ” manidiina letsy raha manan’elatra a !

Ary dia misy mihintsy koa manao habibiana mihintsy manimba zavatr’olona. Fiarakaretsaka ianao izao ary mitondra mpandeha. Efa hariva vao hitanao fa nisy nandidy sy nandrovitra mihintsy ny sezanao tao aoriana.

Endri-javatra vitsivitsy ihany izany ilazàna fa efa mila ho zary nofy ankehitriny izany fahaiza-miaina sy monina eo anivon’ny tontolo iainana izany Toe-tsaina mampalahelo sy mirefarefa amin’ny tany no hita etsy sy eroa izay ILAM-PANAFODY FA MAHONENA…

Mandra-pihaona ary sarobabay ka izay voa aza tezitra e ! Sehatra hafa indray no hiaonantsika eto amin’ny manaraka […]

Bonjour Vazaha!

Raha maratra ianao dia mety ho sitrana ny fery saingy ny olatra avelan’izany kosa dia tsy ho foana na ho voafafa mandrakizay.
–Eo amin’ny fiteny fotsiny dia efa mila ho very ny teny malagasy, fa raha tsy ny vary amin’anana no heno, dia misy ny teny malagasy izao tsy azon’ny sasany, raha tsy adika teny frantsay.
–Ireo mba nahavita fianarana indray , rehefa mba mody an-tanindrazana, dia milaza fa tsy mahay teny gasy intsony fa efa nisondrotra ambony dia ambony hono… Continue reading

Design a site like this with WordPress.com
Get started