Fetinareo ve anio e?

 

….

Hatramin’ny fahagolan-tany dia efa nisy ny fety isan-karazany. Niampy hatrany izany ka amin’izao foana izao dia maro koa ny mankalaza ny ” FETIN’NY MPIFANKATIA ”
Raha manamarika ny tsingerin-taona nahaterahany ny ankamaroan’ny olona dia misento tokana ka milaza ny hoe ” mitombo iray indray ity ny taona ary miha-manatona hatrany ny fahanterana, ary dia misy aza ny manampy mihintsy hoe : efa manakaiky ny  fahafatesana e ! ”
Amin’ity fetin’ny mpifankatia ity kosa anefa, arakaraky ny fandehan’ny taona no TOKONY vao maika HAMPIREDAREDA NY AFOM-PITIAVANA
Koa anio ary, dia aoka samy hametram-panontaniana amin’ny tenany ny tsirairay avy, f’andrao VONY TAVAN’ANDRO na sanatria lasa fahazarana fotsiny ny fanomezana isan-karazany atolotra.
Anio dia aoka hifamela raha nisy ny fahadisoana vita teo amin’ny mpifankatia, ka HIFANOME TOKY kosa fa hanamafy hatrany ny fatoram-pitiavana tsy misy fihatsaram-belatsihy eo amin’ny roa tonta, ka izay rehetra tsy nety tany  aloha rehetra tany,  dia atao toy ny ravin-kazo nanitsana ka ny sisa no ampaniiriana…..

Raha izany no tanteraka dia arahabaina ry MPIFANKATIA satria efa lasa lanitra sy paradisa tokoa ny eto an-tany.

Design a site like this with WordPress.com
Get started